2 Corinthians 2

1Fa nanapa-kevitra ny tsy anantona anareo indray ny tenako amin’ny fotoam-pangirifiriana. 2Raha niteraka alahelo anareo aho, iza no afaka mampifaly ahy akoatran’ilay iray izay noratraiko ihany?

3Nanoratra aho tahaka ny nataoko mba tsy ho voaratran’ireo izay tokony nampifaly ahy rehefa tonga tany aminareo. Izaho dia manana fahatokisana ny aminareo rehetra fa ny fifaliako dia fifaliana mitovy amin’ny anareo rehetra. 4Fa nanoratra ho anareo aho avy amin’ny fahoriana lehibe, miaraka amin’ny fangirifirin’ny fo, ary miaraka amin’ny ranomaso be. Tsy te ampalahelo anareo aho. Fa kosa, te hampahafantatra anareo ny alalin’ny fitiavana izay ananako ho anareo.

5Raha nisy olona niteraka alahelo, tsy niteraka izany tamiko ihany izy, fa amin’ny endrika hafa—tsy hanitarana loatra izany—aminareo rehetra. 6Ampy ny fanasaziana nataon’ny maro an’isa io olona io. 7Ka ankehitriny raha tokony ho fanasaziana, ianareo dia tokony hamela heloka sy hampionona azy. Ataovy izany mba tsy handifotra azy amin’ny alahelo be loatra.

8Noho izany mankahery anareo aho mba hanamafy ampahibe-maso ny fitiavanareo Azy. 9Izany no antony nanoratako, amin’izay mba mety hitsapako anareo ary ahafantarako na mankatoa amin’ny zava-drehetra ianareo.

10Raha mamela olona ianareo, mamela izany olona izany koa aho. Izay navelako—raha namela ny zava-drehetra aho—izany famelana izany dia fitiavana anareo amin’ny fanatrehan’i Kristy. 11Izany dia mba tsy hamitahan’ny Satana anay. Satria izahay dia mahafantatra ireo drafiny.

12Nisokatra ho ahy ny varavarana tamin’ny Tompo rehefa tonga tao amin’ny tanàn-dehibe an’i Troasy nitory ny filazantsara an’i Kristy tany. 13Na izany aza, tsy nanana fiadanan-tsaina aho, satria tsy nahita ny rahalahiko Titosy tany. Araka izany, nandao izy ireo aho ary nandeha niverina tany Makedonia.

14Fa fisaorana anie ho an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy mitarika anay mandrakariva ao amin’ny fandresena. Amin’ny alalantsika dia haeliny na aiza na aiza ny hanitra mamin’ny fahalalana azy.. 15Fa izahay dia hanitra mamin’i Kristy an’Andriamanitra, na teo amin’ireo izay novonjena sy teo amin’ireo izay ho faty.

16Ho an’ny olona izay ho faty, izany dia hanitra avy amin’ny fahafetesana ho amin’ny fahafatesana. Ho an’ireo sasany izay novonjena, dia hanitra avy amin’ny fiainana ao amin’ny fiainana. Iza no mendrika amin’ireo zavatra ireo? Fa izahay dia tsy mitovy amin’ireo olona maro izay mivarotra ny tenin’Andriamanitra mba ahazoana tombony. Fa kosa, amin’ny fahadiovam-po, no hiresahanay amin’i Kristy, satria nalefa avy amin’Andriamanitra izahay, tao amin’ny fahitan’Andriamanitra.

17

Copyright information for PltULB